Fampianarana

Fampitsaharana ny tolon’ny mpampianatra Ho avy ny fampiasan-kery ?


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Nogiazan'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanamafisam-peo dia notapahana ny herinaratra, ka nanao tsipaipaika izahay ary nahazo fanamafisam-peo vaovao, hoy ireo sendikan’ny mpampianatra mitaky ny zony etsy amin'ny tokotanin'ny Minisitera etsy Anosy.

Mbola tadiavin'izy ireo alaina ihany ka nandefasana mpitandro filaminana izy ireo omaly. Tsy manaiky rahamatahora ny mpampianatra, hoy ny filohan'ny Syfema Aina. Mahakasika ny fitakiana indray dia mangataka fihaonanana mivantana amin'ny Praiminisitra isika hamahana ny olana, hoy i Arsène Ratolonjanahary. Tsara ny mampahatsiahy fa ny alatsinainy teo dia nanome fe-potoana 72 ora ny praiminisitra izy ireo hamaliana ny fitakiana, kanefa nialoha izany dia nanome 72 ora ihany koa ity farany hiverenan’ny mpanabe mampianatra. Mbola mitohy ny tolona, mandra-pahazoana valiny araka ny tokony ho izy, raha toromariky ny mpitarika. Tonga maro maro hatrany ireo mpanabe na misy aza ny ramatahora, izay milaza, fa ny SEMPAMA NOSY sy SYFEMA ary ny EPS sisa no sendika ara-dalàna. Misy ireo miditra any anaty tolona any miezaka mafy mampitahotra sy mitady handrava, ka mailo isika ary fantatra ireo fa naman'ireo nanao sonia teny amin’ny primatiora, hoy izy ireo. Na izany na tsy izany, dia fantatra izao, fa ny 20 aogositra izao ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny BEPC, ary ny 1-17 aogositra ho an’ny bakalorea, raha ny tapaka tamin’ny fivoriamben’ny tomponandraikitra misahana izany ny alatsinainy teo. Hilamina mandra-pahatongan’izay ve ity resaka fitakian’ny mpanabe maniry fihatsaram-piainana ity ? Ho tapitra ny 72 ora nomen’ny mpampianatra ka ho avy indray ve ny fampiasan-kery na ny fandrahonana fanapahana karama sa hisy ny fifampiresahana ambony latabatra? Ny hita aloha dia kazaran’ny efa manao kopisoroka ny fanjakana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT