Fampiroboroboana ny teny Anglisy

Manamafy ny fanohanany ny Masoivoho Amerikanina


  • Zoma 13 Jona 2025

Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena

roa andro, notontosain’ny Masoivoho Amerikanina niaraka tamin’ny « English Language Teachers Association » na ELTA Madagascar. Nanamafy ny fahaiza-manaony, nanatsara ny kalitaon’ny fampianarana Anglisy manerana ny nosy ary nampisy fomba hifandraisana eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena ny fiofanana. Nisy atrikasa fampiharana, fifampiresahana ary famelabelaran-kevitra, tarihin’ireo manampahaizana avy any Etazonia, aty Madagascar ary avy any atsimon’i Afrika ka anisan’izany ny English Language Fellows, ary koa solontena avy amin’ny ELTA sy TESOL, araka ny fampitam-baovaon’ny Masoivoho Amerikanina eto amintsika. Nambaran’ny Ambasadaoro Claire Pierangelo fa hatramin’ny 2019, efa nanolotra fiofanana manara-penitra ho an’ny mpampianatra teny anglisy mihoatra ny 3 000 manerana ny nosy ny governemanta amerikana. Ny ELTA Madagasikara, natsangana tamin’ny jolay 2024, dia vokatra mivaingana avy amin’ny fanohanana stratejika avy amin’ny Masoivoho Amerikana. Nanamafy izy fa fototra ny fanabeazana anglisy tsara kalitao ho an’ny fampandrosoana maharitra, ary manolo-tena ny Masoivoho hanohana ny ELTA amin’ny fampitomboana ny mpikambana ary fampivelarana fandaharanasa ho an’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Vonona hatrany hanatsara ny fampianarana teny anglisy hanorenana ho avy izay ahafahan’ny mpampianatra sy mpianatra misandratra sy mifandray ary misitraka fanararaotra vaovao ny Masoivoho Amerikanina, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa mitohy amin’ireo tompon’andraikitra sy andrim-pampianarana eto an-toerana, hoy ny fanamafisana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT