Fampianarana

Fampiroboroboana ny asa fitsaboana sy ny fampianarana Nanome 793 tapitrisa Ariary i Japon


  • Talata 26 Martsa 2019

Fifanaraham-piraha-miasa mahakasika ny sehatra fampianarana sy fahasalamana miisa 3 no nosoniavina tetsy amin’ny Masoivohon’i Japon Ivandry omaly alatsinainy 25 martsa.

 

Nanambara ny ambasadaoron’i Japon monina eto Madagasikara, Andriamatoa Ichiro Ogsawara fa tena laharam-pahamehana ary fototra amin’ny fampandrosoana maharitra ireo sehatra ireo eto Madagasikara, ,anton’ny fanampiana ataon’izy ireo. Na ireo mpitondra firenena rehetra eto Afrika aza, hoy izy, dia efa samy manaiky ny mahazava-dehibe ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny fampiroboroboana ny sehatra fampianarana avokoa tao anatin’ilay fifanarahana TICAD VI natao voalohany teto Afrika tany Nairobi Kenya.  Mitotaly 201. 150 Euros na 793 tapitrisa ariary ny famatsiam-bola nomen’ny japoney ao antin’ilay fifanaraham-piaraha-miasa miisa 3 ao anatin’ny APL (Aide sous forme de dons aux micro-projets locaux contribuant à la sécurité humaine). Nanao ny sonia ny Ambasadaoro japoney miaraka amin’ireo solontenan’ny tetikasa 3 ireo ary ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny profesora Julio Rakotonirina. sy ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, Ramatoa Razafindrakoto Aurélie. Ny tetikasa voalohany dia famatsiana fitaovam-pitsaboana ny tobim-pahasalamana Ave Maria Antsirabe faritra Vakinankaratra izay mitentina 290 tapitrisa ariary. Ny faharoa kosa dia fanamboarana trano fianarana any Mahavokatra Antsiranana izay mitotaly 311 tapitrisa Ariary. Ny farany dia mitentina 192 tapitrisa ariary ary hatokana ho amin’ny fanamboarana efitrano miisa 2 ao amin’ny CEG Antanandava faritra Alaotra Mangoro

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT