Fampianarana

Fampiofanana tekinika sy arak’asa Hanome 10 tapitrisa Rmb ny firenena sinoa


  • Talata 23 Aogositra 2022

Nokarakarain’ny minisitera sinoa misahana ny fanabeazana , vaomieram-pirenena sinoa, ny UNESCO ary ny governemanta entim-bahoaka an-drenivohitr’i Tianjin, notarihin’ny M.Huai Jinpeng,

Minisitry ny fampianarana sinoa, mitondra ny lohahevitra "Développement de l’Enseignement professionnel et technique à l’Epoque post épidémique : Nouveaux changements, nouvelles méthodes et nouvelles compétences techniques." na fampiroboroboana ny fampiofanana arak’asa sy ara-tekinika taorian’ny fandalovan’ny valanaretina: fiovana vaovao, fiovana fomba fanao, fiovana fahaiza-manao teknika ny fivoriambe iraisampirenena voalohany momba ny fampiroboroboana ny fampiofanana arak’asa sy teknika natao ny 19 aogositra 2022 teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Niarahaba sy nankasitraka manokana ny praiminisitra lefitry ny filankevim-panjakana RPC Sun Chunlan ny filoha R.P.C XI Jinping tamin’ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fivoriana. Nilaza izy fa mifaningotra na antoky ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena ny fampiofanana arak’asa fa indrindra ho an'ny fampivoarana ny fehim-piainan'ny mponina. Mandrisika na manohana tanteraka ny fampiakarana ny kalitaon'ny lentan'ny fampiofanana arak’asa sy ny fifanakalozana na fiaraha-miasa amin'ny firenena hafa amin'izany sehatra izany i Chine. Ministry ny fampianarana 14 isa avy tamin’ny firenena samihafa no nandray anjara tamin’ny dinika nampitain-davitra ary masoivohona firenena maro ihany koa no nanotrona ity fivoriana ity toy ny masoivoho Malagasy, ny Dr Jean Louis Robinson, Ambasadaoron i Madagasikara any Chine. Nisolotena ny firenena Malagasy ny tenany ary nanome sosokevitra ny hanomezana fankasitrahana iraisampirenena ho an'ny fampiofanana tekinika sy arak’asa. Nankato avy hatrany io sosokevitra io ny filoha tale jeneralin'ny Banque de Chine, Liu Lianke, ka vonona ny hanome 10 tapitrisa Rmb ho fandraisana anjara aty am-piandohana ary hampiasa vola 1 miliara Rmb ho an’ny fampiroboroboana ny fampiofanana arak’asa eo amin’ny sehatry ny fanodinana nomerika sy ara-tsaina na "transformation numérique et intelligente". Anisany hanampy amin’ny fampivoarana ny firenentsika ny atrikasa voalohany nosokafana momba ny Luban ao Vontovorona, Antananarivo, izay efa nahazo fampitaovana tsara kalitao. Nanosokevitra ny hanokafana “Atelier Luban” hafa hiantsehatra amin’ny fambolena any amin'ny faritra ihany koa ny Masoivoho Malagasy, Dr Jean Louis Robinson, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT