Fampiofanana « SUSI » any Etazonia

Voafantina handray anjara i Rivomanana Ratsimbamiova


  • Alarobia 05 Jona 2024

Rivomanana Ratsimbamiova, mpampianatra teny anglisy ao amin'ny

Sekoly tsy miankina Linking Countries Training and Action na LCTA Private School Ambatondrazaka no voafantina handray anjara amin'ny programa Study of the United States Institutes for Administrators na SUSI ho an’ny taona 2024, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny praograma akademika SUSI moa dia mitondra mpanabe avy amin’ny ambaratonga faharoa mitsidika any Etazonia hanampy azy ireo hamantatra bebe kokoa ny fiarahamonina, kolontsaina sy soatoavina ary ireo andrim-panjakana amerikanina. Ny tanjona dia ny hanamafy orina ny fandaharam-pianarana sy hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana momba an’i Etazonia ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa sy ambaratonga ambony ivelan’i Etazonia. Manaraka fiofanana akademika mandritra ny 4 herinandro any amin'ny California State University, Chico, i Rivo nanomboka ny 1 Jona lasa teo. Fiofanana, velankevitra, fizarana traikefa, atrikasa, fitsidihana toerana manan-tantara sy fihaonana ary hetsika ara-kolontsaina isan-karazany no hameno ny fandaharam-potoanany amin'izany, hoy hatrany ny fanazavana momba ity praograma amerikanina mikasika ny teny anglisy ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT