Fampianarana

Fampiharana ny PSE Vao mainka hanimba ny zaza Malagasy…


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Efa miroso miandalana mankany amin’ny fampiharana ilay drafi-pampianarana vaovao na ny PSE isika eto Madagasikara ankehitriny.

 

 

Raha ny volana novambra no niditra ny mpianatra tamin’ny taona 2018 dia fantatra fa hanomboka amin’ny volana desambra indray amin’ity taona ity  ary tsy hijanona raha tsy tonga any amin’ny volana martsa.  Raha ny  fanazavan’ireo sekoly tsy miankina sasany anefa dia vao mainka hanimba ny zaza Malagasy ny fampiharana ity PSE ity. Dradraina, hoy izy ireo fa ny tsy fahampian-tsakafo no anisan’ny antony voalohany mampitombo ny tahan’ireo zaza mitsoaka an-daharana an-tsekoly nefa tafiditra ao anatin’ny fotoanan’ny maitso ahitra, mahasarotra ny fitadiavana sakafo  mihitsy ny fidirana an-tsekoly raha io PSE io no tena hampiharina tsy miato. Sady hitady sakafo hohanina no hitady vola hividianana fitaovana sy hanoratana ny anaran’ny mpianatra any an-tsekoly ny ray aman-dreny  ao anatin’ny fotoam-pahavaratra, hoy hatrany ireo sekoly tsy miankina koa sarotra inoana raha hisy 20 isan-kilasy ireo ho avy amin’izany. Nomarihin’ny talen’ny sekoly tsy miankina iray fa na dia amin’izao fandaharam-pianarana manaraka ny teo aloha izao aza dia be dia be ireo ankizy tsy mianatra sy tsy mahaloa saram-pianarana rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao mainka moa  fa hatomboka volana febroary sy martsa tokoa ny fotoana hanombohana ny taom-pianarana vaovao ? Ankoatra io  fidinan’ny tahan’ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly io moa dia nomarihin’ireo sekoly tsy miankina ihany koa fa ho very 12 volana ny zaza Malagasy iray raha vantany vao hampiharina eto amintsika ny PSE.  Volana septambra mantsy, hoy izy ireo vao miatrika ny fanadinana Bakalorea ireo mpianatra eto amintsika nefa volana septambra ihany koa no fidirana ho an’ireo maniry ny hanohy fianarana any ivelany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT