FAMPIDIRANA MPIANATRA

Mety mahalany 4 hetsy Ar isaky ny zaza iray


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Tena mafy ny mahazo ireo Ray aman-dReny amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra izay efa nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo.

Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia mahalany 4 hetsy Ar isaky ny zaza iray ny Ray aman-dReny raha kely ho an’ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina. 200.000 Ar tsy maintsy aloha any am-pianarana handoavana ny fanavaozana ny fisoratana anarana sy ny saram-pianarana amin’ity volana Septambra ary ny arok’anjo….Ny 200.000 Ar hividianana fitaovam-pianarana izay mbola tsy ampy aza ho an’ireo kilonga madinika. Efa vidiana 15.000 Ar mantsy ny iray amin’ireo pensily miloko miisa 12 amin’ireo marika mba tsaratsara amin’izao eny amin’ny pavillon Analakely. Misy amin’ireo sekoly tsy miankina mantsy no tsy manaiky fa tsy maintsy mitaky izay marika izay noho ny antony tsy fantatra. Tsy lazaina intsony ny vidin’ny kahie. Ho an’ny 100 pejy dia efa mahatratra 1600 Ar ny iray amin’ireo karazany mba tsaratsara….Ho an’ny kitapo manokana dia efa vidiana 50.000 Ar ny iray amin’ireo karazany mba tsara novidiana 40.000 Ar tamin’ny taon-dasa…. Tena sahirana ny Ray aman-dReny raha tsiahivina. Misy voatery midin-trosa mihitsy vokatr’izany ny sasany raha nanatsahatra ny zanany tsy hianatra intsony aloha ny sasany. Tsy mbola mihoatra ny an-tsasany mantsy hatreto ny salan’isan’ireo mpianatra tonga niverina namonjy lakilasy vokatr’izay fahasahiranana izay. Voakasik’izany ireo sekoly tsy miankina nampiakatra saram-pianarana. Ny fanabeazana anefa no fototry ny fivoarana sy ny fampandrosoana ny firenena izay lasa toa teny maneso raha oharina amin’ny zava-misy iainan’ny Malagasy ankehitriny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT