Fampianarana

Tontosa omaly ny CEPE katolika 2025


  • Alarobia 28 Mey 2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Katolika taona 2025 manerana ny Nosy. Mpianatr’ity sekoly tsy miankina ahian’ny Fiangonana Katolika ity ao amin’ny kilasy fahadiny an’hetsiny no indray niatrika izany, raha araka ny loharanom-baovao azo. Netinety avokoa ny laza adina rehetra raha araka ny fanazavan’ny mpianatra na dia somary sarotra aza ny taranja kajy sy ny frantsay. Tsiahivina moa fa manana ny lanjany ny diplaoma katolika eto Madagasikara. Tsy maintsy manatanteraka izany ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny sekoly katolika rehetra. Iraisan’ny rehetra ny laza adina raha tafiditra ao anatin'ny taranja hanadinana kosa ny "Religion" (katesizy) sy ny "Education à la vie et à l'amour" (EVA) hoy ny vaovao. Marihina kosa fa tsy maintsy mandray anjara amin'ireo fanadinana ofisialy karakarain'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ireo mpianatry ny sekoly katolika rehetra. Ho avy tsy ho ela ny fanadinana BEPC Katolika….
Nangonin’i Pati
Legende : Efa nahavita sedra CEPE ireo mpianatry ny sekoly katolika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT