Fampianarana teny Anglisy

Raikitra ny fihaonambe


  • Alakamisy 18 Jona 2026

manamafy ny fanohanany i Etazonia

Nosokafana omaly 17 jona 2026 teny amin’ny ENS (École Normale Supérieure) Antananarivo ny Fihaonambe momba ny fampianarana teny anglisy. Nanokatra izany i Craig Ferguson, Mpanolontsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsaina ato amin’ny Masoivoho Amerikana, niaraka tamin-dRtoa Sendra Rajaonarison, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Nanatrika ihany koa i Gena Rhoades, tompon’andraikitra misahana ny fampianarana teny anglisy aty amin’ny faritra atsimon’i Sahara, ary solontenan’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Vatsian’ny governemanta amerikana vola ity fihaonambe ity ary tanterahina miaraka amin’ny ELTA Madagascar. Mpandray anjara eo amin’ny 50 eo ho eo no tafavory, ahitana mpampianatra avy amin’ny anjerimanontolo sy ny lisea ary mpampiofana avy amin’ny ministera. Haharitra roa andro ny fihaonambe, ahitana dinika sy atrikasa fampiofanana azo ampiharina. Tanjona ny hanamafy ny fampianarana teny anglisy sy ny fandaharam-pianarana ary ny fananganana tambajotra matanjaka kokoa ho an’ny mpampianatra. “Tsy fitsipi-pitenenana sy voambolana fotsiny ny teny anglisy fa manokatra lalana sy rohy mampifandray ny fifanakalozana ara-panabeazana, ny asa ary ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena”, hoy i Craig Ferguson. Midika izany fa hisy feo malagasy bebe kokoa re any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary mpanabe maro kokoa voaofana hanomana ny taranaka manaraka. Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka toy ny Masoivoho Amerikana sy ny ELTA Madagascar ny ministera, ary nambaran’ny minisitra fa ao anatin’ny fanavaozana lehibe ny rafi-panabeazana mba hamaly ny filan’ny vanin-potoana sy ny fampandrosoana. Manamarika ny Masoivoho Amerikanina fa mankalaza ny Freedom250 sy ny 160 taona fiaraha-miasa amin’i Madagasikara i Etazonia. Maneho ny fifandraisana lalina sy ny fanamafisana fahaiza-manao ity fihaonambe ity, manasongadina fa miara-mandroso sy miha matanjaka amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny olona sy ny fanabeazana ny firenena roa tonta.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT