Fampianarana

Fampianarana teknika Hiroso amin’ny fanatsarana ny minisitra vaovao


  • Zoma 15 Jona 2018

Laharam-pahamehana ny fikarakarana ny fifidianana saingy tsy maintsy hatsaraina faran’izay haingana ny fampianarana teknika, hoy ny minisitra vaovao Rahantasoa Lydia Aimée omaly nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra teo aloha Raharimalala Marie Lydia.

Vitsy dia vitsy ary zara raha misy 2 % amin’ireo  mpianatra afaka bakalorea no tafiditra eny amin’ny sekoly ambony polytechnique hatramin’izay. Araka izany dia hisy ny ezaka ety ifotony hamolavolana mpianatra tena mahay sy feno traikefa, hoy ity solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha voafidy tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana ity. Hatao maika izany mba ho fitsinjovana hatrany ny ray aman-dreny, indrindra ny firenena manontolo. Ankoatra izay, nafindra tamin’ny minisitry ny asa vaovao Pierre Houlder omaly ihany koa ny fanofanana arak’asa, izay tsy horaisin’ny minisiteran’ny fampianarana teknika intsony manomboka izao.

 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT