Fampianarana sy fanofanana arak’asa

Tanora 2500 no nisitraka ny tetikasa JMCT


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Taorian’ny 6 taona nanatontosana azy (2018-2024), nofaranana tanteraka

tamin’ny alalan’ny seminera tetsy amin’ny Hotely Clobert Antaninarenina omaly 14 febroary 2024 ny tetikasa JMCT (Jeunesse Malagasy Compétente au Travail). Ny governemanta Kanadianina tamin’ny alalan’ny AMC (Affaires Mondiales Canada) sy ny UQTR (Université du Québec à Trois Rivières) ary ny AUF (Agence Universitaire Francophone) no nanohana sy namatsy vola ny tetikasa, ka nahatratra 6 tapitrisa dolara kanadianina ny fanohanan’ny AMC, 700 000 dolara kanadianina avy kosa ny an’ny AUF sy UQTR. Tanjona ny fampiakarana ny salan’isan’ny tanora miditra amin’ny sehatry ny asa sy ny salan’isan’ny mpianatra mivoaka amin’ny ivon-toeram-pampianarana manofana arak’asa niisa 9 tamin’ny Faritra 3 teto Antananarivo, Ambositra, ary Antsiranana : ny IST (Institut Supérieur de Technologie) miisa 3 dia Antananarivo, Ambositra ary Antsiranana ; INTH (Institut National du Tourisme et de l’Hôtellerie) ; INSCAE (Institut National des Sciences Comptables et de l’Administration des Entreprises) ; LTP GSM (Lycée Technique Professionnel du Génie Civil Mahamasina) ; LTA (Lycée Technique Ampefiloha ; LTPA (Lycée Technique Professionnel Ampefiloha ; Ary ny ny LTP P4 A (Lycée Technique Professionnel PK4 Antsiranana no nisitraka izany. Tanora 18-30 taona miisa 2500 (55% ny lehilahy ary 45% ny vehivavy) no nisitraka, ka seha-piofanana 3 dia ny asa vaventy na BTP, ny fizahantany sy fandraisam-bahiny na THR, ary ny fandraharahana no nisafidianana azy ireo. Nisy ny fampiofanana ireo mpampianatra tamin’ny alalan’ny fomba fiasa « Approche par compétence », fandefasana mpampianatra sy mpianatra 8 nandeha nanovo fianarana tany amin’ny UQTR nandritra ny 2 taona ka nisy naka ny mari-pahaizana Master, fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra teto an-toerana. Nisy manam-pahaizana manodidina 30 teo tonga nanofana teto amam-bolana. 60 000 dolara kanadianina ny totaliben’ny vatsim-pianarana izay 100 mahery teo ireo mpianatra afaka nanohy ny fianarany. Nisy ihany koa ny famerenana ireo nitsoaka an-daharana hianatra nofanina 3 volana na mahery mba afaka hiditra amin’ny asa dia ny BTP sy THR ka 267 teo no nisitraka izany izay ny 60% amin’ireo no efa azo atao hoe : nahita asa avokoa, hoy ny Tale Jeneralin’ny IST Ampasampito izay sady Talen’ny tetikasa JMCT ato anatiny Atoa Luc Rakotondrajaona. Nosokafana ihany koa ny « cadre de concertation des partenaires » iarahan’ny Minisitera mpiahy, ny Vondron’ny orinasa toy ny GEM, SIM, FIVAMPAMA, ny sekoly. Nomarihina rahateo, fa ny JMCT no isan’ny fanombohana ny « décret de formation en alternance » nosoniavin’ny governemanta tamin’ny novambra 2023, izay midika fa manomboka izao dia azo atao ny sady any am-pianarana no mandeha miasa any amin’ny orinasa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT