Mbola adihevitra mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny
fampianarana, indrindra taorian’ny lonanana ara-panjakana nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa “adino sy natao latsa-danja ny fampianarana hatrizay, fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana kosa izany ankehitriny”. Teo ihany koa ilay tenin’ny Minisitry ny fanabezam-pirenena Marie Michelle Sahondraharimalala, fa “fifaninananana sy fitsapam-pahaizana no hidirana amin’ny EPP manara-penitra, ka ireo izay mahay sy mahazo naoty ambony no afaka hiditra amin’izy ireny”. Amin-dRajoelina sy ny ekipany dia badraodra toa daholo. Tsy manana fanetren-tena na kely aza, tsy nahita EPP sy CEG ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny ankehitriny, raha tsy teo ny Repoblika faharoa. Nisy fanabeazana ho an’ny rehetra na ny “Education pour tous” sy ny fanabeazana ho an’ny lehibe ”Education des adultes” na ny “Andragogie” nanana ny naha izy azy tamin’ny fitondrana Ravalomanana, saingy nofoanana rehefa tetezamita, taorian’ny fanonganam-panjakana. Isan’ny nampiroborobo ny tetikasan’ny FID, nananganana sekoly tsy tambo isaina manerana ny Nosy izany vanim-potoana izany. Tao anatin’ny Fanjakana Rajaonarimampiananina, dia nahavita nampiditra mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana 45 000, nanaovao efitranon-tsekoly 4 341, niezaka nizara kits scolaires 9,9 fa tsy hoe misy mahazo dia misy tsy mahazo ary misy tsy mahazo, tahaka ny nolazain’ny Filoha ankehitriny,…
TSY MBOLA AZO HIALANA NY TSY MIANKINA
Marina fa nahavita EPP manara-penitra 15 ny Fanjakana tao anatin’ny roa taona, ary 59 no ambara fa andalam-panamboarana, ka atao hoe 74 izany hatramin’ny nitondrany. Misy kaominina 1695 eto Madagasikara, ka afaka 45 taona izany hisy iray avy raha 74 isaky ny roa taona no vita. Nahoana no tsy hajariana aloha ireo potika sy rava any ambanivohitra maro ary any no hasiana manara-penitra fa tsy amina tanàn-dehibe izay efa maro no safidy? Nofoanana ny fanampiana ara-bola ho an’ny sekoly tsy miankina. Tsy mahasehaka manontolo ny fampianarana anefa ny Fanjakana, tsy atonona ny zaza Malagasy ny sekolim-panjakana. Izay no ivelaran’ny fampianarana amin’ny tsy miankina saingy programa ara-panjakana no tanterahina. Mbola mifanahantsahana ny isan’ny zaza Malagasy mianatra amin’ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina, ary manatombo aza ity farany. Mila mitandrina ny Fanjakana, sao sodokan’ny endrika ivelany, ka vao mainka fahapotehana fa tsy fihatsarana no hiseho eo anatrehan’ny adivehitra samihafa, toy io resaka fanavakavahana io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.