Fampianarana

Fampianarana sy fanabeazana Sahiran-tsaina tanteraka ny minisitra


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien omaly ary nilaza fa tsy maintsy handray andraikitra ny departemanta tarihany manoloana ny fiatoan’ny fampianarana ela loatra nateraky ny fitokonan’ny mpampianatra.

 Mbola manizingizina izy fa tsy maintsy hotanterahina ny fanadinam-panjakana. Tsy azo ekena intsony ny fitokonan’ny mpampianatra, izay hita fa tsy fitakiana madio intsony fa efa misy ambadika politika. Nambaran’ingahy minisitra ihany koa fa tsy ekena intsony ny fanaovana fitokonana eo an-tokotanin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ka handray fepetra ny minisitera.Hita soritra teny amin’ny endrik’ingahy minisitra fa tena sahiran-tsaina izy manoloana ity fitokonan’ny mpampianatra ity, izay nohamaivanin’ny fitondram-panjakana kanefa efa manomboka miitatra manerana ny faritra maro eto Madagasikara amin’izao fotoana ary tena mampikatso ny fampianarana, indrindra amin’ireo sekolim-panjakana. Iharan’ny tsindry roa goavana dia ny avy amin’ny fanjakana sy ny mpampianatra mantsy ny minisitra ka manahirana ny fanapahan-kevitra mety horaisina. Tsy mbola fantatra kosa anefa hatreto ireo fepetra horaisin’ny fitondram-panjakana manoloana ny mpampianatra izay manizingizina fa tsy misy miverina miasa raha tsy tanteraka ireo fitakiana miisa 5. Ho avy hiambina ny minisitera ka tsy hamela ny mpampianatra hiditra ao intsony ary ve ny mpitandro filaminana manomboka anio ? Ireo mpampianatra anefa tsy hanaiky. Ho raikitra ve izany ny fifandonana sy ny baomba mandatsa-dranomaso ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT