Fampianarana

Fampianarana « Rattrapage » iray volana aloha vao fanadinana


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Nanamafy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien hatramin’ny omaly fa tsy mihemotra ny fanadinam-panjakana rehetra amin’ity taona 2018 ity.

Nametraka koa ireo mpampianatra mitokona fa tsy hiverina hampianatra raha tsy mivaly ny fitakiany ary aorian’izay dia mbola mangataka iray volana izy ireo hanaovany famerenana (rattrapage).  Antony  ilana io, hoy Rtoa Lovaniaina, filoha lefitry ny sendikan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana eto Madagasikara ny fanatontosana ilay programa voafetra izay tokony hampidirina amin’ny fanadinana.  Ny mpampianatra rehetra no mametra ny zavatra azo hanadinana, ny fetra famerenana tokony hatao … Raha  sanatria ka  tsy mihemotra mihitsy io daty io fa hoterena dia zava-doza no hiseho eto amintsika. Na ho afaka daholo ny mpianatra satria fanadinana tsy tena izy no hampanaovina azy entina hanatsarana ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny na faran’izay ho ratsy ny vokatra  satria laza adina tsy mifanaraka amin’ny programa vita no hanerena ny mpiadina mandritra ny fotoam-panadinana. Andrasana izay mety ho vokatr’ity tsy fifanarahana misy eto amin’ny mpampianatra sy ny fitondram-panjakana ity. Nilaza ihany koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena omaly fa ampy izay ny fitokonan’ny mpampianatra. Handray ny andraikiny amin’izay ny tenany manomboka anio alakamisy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT