Fampianarana

Fampianarana Hikatona ny sekolim-panjakana rehetra anio


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Miha mafy hatrany ny fitakian`ny mpanabe manerana ny nosy ary nanamafy izany ny firaisankinan`ny sehatry ny fampianarana izay nahitana mpampianatra, filohan`ny CISCO, lehiben`ny DREN ny asabotsy lasa teo. Fitakiana izay miompana amin`ny famaritana ny fampitoviana mari-karama sy tambin-karama tokony hositrahan`izy ireo.

Araka ny fanambarana nataon`ny FM2F, fivondronan`ny mpampianatra-mpanabe,   dia hikatona avokoa ny sekoly rehetra manerana ny Nosy anio. Notsindrin`ireto mpisehatra amin`ny fanabeazana ireto kosa fa tsy hisy ny taona fotsy araka ny nolazain`ny olon-kafa sy mpanelingelina ary hisy ny fanadinam-panjakana. Ho tombontsoan’ny mpampianatra rehetra ihany koa no anton`ny fitakiana, hoy hatrany ny mpitondra tenin`ny FM2F, Atoa Johnson. Etsy an-daniny, nanamafy ny fampiatoana sekoly ihany koa ny lehiben`ny CISCO, DREN… eto Madagasikara ho fanamafisana ny hetsiky ny mpanabe, hoy Randrianantenaina Rova, mpandrindra nasionaly. Misy anefa ny tsy fitovian-kevitra amin`ny FM2F sy ireo lehiben`ny CISCO, DREN. Nilaza ny eo anivon`ny FM2F fa manohana hatrany ny tolona ho an`ny fanovana  etsy amin`ny kianjan`ny 13 mey ary miantso ireo mpampianatra rehetra ho tonga eny amin`ny LMA anio mba hanatanteraka ny diabe hihazo eny Analakely. Teo amin`ny 13 mey, hoy izy ireo no nakomboka ny tolona ary eo no tokony hotohanana. Ireo lehiben`ny CISCO, DREN anefa manao antso avo an`ireo mpanabe rehetra mba hanatevin-daharana an`izy ireo eny Antanimbarinandriana. Miombon-kevitra kosa ny roa tonta fa rariny raha manao fitakiana ny mpampianatra satria izy ireo no mpiasam-panjakana anisan`ny kely karama indrindra eto Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT