Fampianarana

Fampianarana Hanomboka anio alarobia manerana ny nosy.


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Araka ny nambaran'ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny alahady 14 aprily lasa teo dia hanomboka anio alarobia 22 aprily manerana ny nosy ny fampianarana.Ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana Bepc sy Baccalaureat no hanomboka .

 

 

 

Manaraka ny fepetra elanelana ary 2 isaky ny dabilio raha betsaka .Na miankina na tsy miankina, amin'ny fanjakana io.Ho an'ireo mpampianatra tsy miankina maro teto an-drenivohitra dia efa novorian'ny tale izy ireo hanaraka ny toromarika.Tao ireo efa nanisy fanafody ny efitrano hianarana mialoha.Tao koa ireo efa nanadio ny sekoly sy nanisy rano sy savony hisasana tanana matetika.Ny sarom-bava no miandry.Manomboka izao dia mamerina ny zava-bita no hifantohana tsara.Ho an'ny sekoly sasany dia miditra in-droa ny ankizy amin'ny 6ora sy sasany maraina mirava aminy 8ora sy sasany ny andiany voalohany.Mirava amin'ny 12ora atoandro dia mody.Ho an'ireo hanala fanadinam-panjakana Cepe kosa dia hanomboka ny alatsinainy 27 aprily 2020 marainny fianarana .

Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT