Fampianarana

Fampianarana eto Madagasikara Tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy marina


  • Talata 09 Oktobra 2018

Natolotra teny amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny zoma 5 oktobra lasa teo ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny fikaonan-doha 3 andro nataon’ny mpampianatra mivondrona ao amin’ny SEMPAMA Nosy.

 

 

Vaomiera 6 no natsangana ary samy namoaka ny fehin-kevitra mahakasika ny tombontsoan’ny mpampianatra, ny fitantanana amin’ny ankapobeny ny sehatra fanabeazana ary ny fangatahana ny tsy tokony hidiran’ny fampianarana amin’ny resaka politika. Anisan’ny zava-dehibe nivoitra ihany koa ny faharesen-dahatry ny mpampianatra fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny fampianarana atao fa manaraka ambokony ny tolo-kevitra avy any ivelany, indrindra ny avy amin’ireo mpamatsy vola fotsiny izy ireo. Nisy, araka izany, ny fangatahana fihaonambe hihaonan’ny mpiasan’ny fanabeazana rehetra hijerena ny fampianarana tokony hatao eto Madagasikara. Ankoatra izay dia miandrandra ny fanafoanana ny mpampianatra FRAM ihany koa izy ireo aorian’ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ireo FRAM efa misy eto ireo. Raha tsy maintsy handray mpampianatra FRAM dia tsy maintsy mandalo fiofanana marobe hanatsarana ny vokatra eo amin’ny sehatra fanabeazana. Nanapa-kevitra hiasa sy hiverina hampianatra moa ny mpampianatra rehetra amin’ity fidirana ho avy ity ary miandrandra izay filoha ho lany  eo hiara-kanolo-tanana azy ireo amin’ireo tolo-kevitra ireo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT