Fampianarana

Fampianarana ampitain-davitra-CNTEMAD Miezaka manampy ireo ankizy vao afa-panadinana bakalôrea


  • Talata 10 Aprily 2018

Sekoly ambony iray miezaka ny manampy sy manohana ireo tanora maniry ny hanovo fahalalana eny amin’ny anjerimanontolo ny CNTEMAD.

 

Oniversitem-panjakana izy io raha fehezina, afaka manome tanana ireo olona efa am-perinasa ihany koa nefa mbola tena handalim-pahaizana misimisy kokoa.  Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia hiantefan’izany fanampiana izany ihany koa ireo tanora mpianatra any amin’ny faritra izay marihina fa betsaka ireo tsy manana fahafahana ny hianatra eny anivon’ireo  sekoly ambony tsy miankina hany ka zary mandao ny varavaran-tsekoly tsy fidiny na manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany. Mba ho fanampiana ireny tanora ireny indrindra ary dia fantatra fa hanokatra ny tendrony any Manakara indray ity sekoly ambony iray ity. Tanjona amin’izany ny hampihenana ny tahan’ireo tanora mirenireny fotsiny na koa tokony hiasa nefa tsy manana diplaoma. Tsiahivina moa fa faritra maro no efa nametrahan’ny CNTEMAD ny tendrony manerana ny Nosy mba ho fanampiana ny tanora Malagasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT