Fampianarana

Fampianarana ambony tsy miankina Nisokatra ny Université privée d’Ambohidratrimo


  • Zoma 01 Aprily 2022

Misokatra ankehitriny sekoly ambony Université privée d’Ambohidratrimo ka làlam-piofanana na « mention » miisa 3 no efa nahazoana « habilitation»,

dia ny «Hautes études de commerce et Management », « Sciences et technologie», ary ny « Hautes études en philosophie », araka ny fampahafantaran’ny mpitantana tarihin’ny Rektora Pr Naly Rakotoarimanana omaly. Tanjona ny hanome tolotra ara-piofanana tsara kalitao ho an’ny tanora ary mifanindran-dàlana amin’izany ny fotodrafitrasa maoderina sy fomba fampianarana matihaninana. Niditra ny volana desambra 2021 ny mpianatra andiany voalohany miisa 19, izay ao anatin’ny « Mention Hautes études de commerce et management » izay misy ny parcours 3: finance et comptabilité, management, commerce internationale et marketing, ary efa an-dàlana ny « mention » hafa. Eo ny « formation académique » fa mieritreritra ny hanitatra ny sehatra iasana hampiroborobo ny fikarohana sy ny zava-baovao ka hampiditra fanofanana arak’asa (formation professionnelle). Mahatratra 150 ny « module de formation» hatolotra, izay efa heverina ho mahafaobe na « standard » mifandraika amin’ny filàn’ny orinasa, fa misy ihany koa tena tefena araka ny tadiavin’ilay orinasa mihitsy,… Ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitantana orinasa, politisianina dia miainga amin’ny “intuition” izany hoe tsy tena voalanjalanja sy ratsy fototra kanefa tokony ho “rationnel” izany hoe misy fototra ara-tsiantifika, toy ny antontan’isa,… Sahirana, ohatra, ny Fanjakana amin’ny famolavolana ny tetibola ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ka naneho fa manomana fiofanana momba izany ity sekoly ity. Sahirana amin’ny fanapahan-kevitra ny mpanao politika, ka raha tiana ho siantifika ny fomba fitantanana ny mpanara-dia, dia afaka miofana ahitana fahombiazana amin’ny fitarihana. Manaraka ho azy ny haitarika na “leadership” fa misy fototra siantifika tokony arahina, hoy hatrany ny Pr Naly Rakotoarimanana.

Misy endrika avy aty ivelany ho mifandrohy amin’ny finoana silamo ity sekoly ambony ity, saingy naneho ny mpitantana fa tsy mifamatotra amin’ny finoana na « confessionnelle » fa misokatra ho an’ny rehetra.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT