Fampianarana ambony tsy miankina

Handefa mpianatra any Inde ny ISFPS-LEADER


  • Talata 09 Jolay 2024

Mitombo isa hatrany ireo firenena vahiny miara-miasa amin’ny sekoly ambony ISFPS-LEADER

tarihin’Atoa Mahasoa Tsimiondrike izay efa manana ivon-toeram-pampianarana miisa 13 manerana ny Nosy. Hiara-kiasa amin’ny firenena Indiana indray izy ireo manomboka izao koa na mpianatra vao ao amin’ny taona voalohany manovo fahalalana ao amin’ity sekoly ambony iray ity aza dia ho afaka hanohy fianarana avy hatrany any amin’ny oniversite MATS any Inde ao amin’ny taona faharoa. 100% ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra izay mahazo ny moyenne 17 raha 50% kosa izany ho an’ny ambiny rehetra. Ny fifehezana ny teny Anglisy monja no takiana amin’ireo mpianatra sisa izay nomarihin’ny filoha tale jeneraly Mahasoa Tsimiondrike fa efa hampianarina maimaim-poana ireo mpianatra ao aminy ihany koa. Tsy olana ihany koa ny resaka taratasy. Efa manana fikambanana mikarakara ireo mpianatra ao aminy handeha hanohy fianarana any ivelany mantsy ny ISFPS-LEADER raha roa andro monja dia vita ny VISA. Marihina moa fa azon’ireo mpianatra ao amin’ity sekoly ambony ity tohizana any Inde avokoa ireo lalam-piofanana nianarany teto toy ny pharmacologie, ny droit, ny commerce, ny ekonomia….Afaka miverina eto Madagasikara izy ireo aorian’izany nefa afaka mijanona any an-toerana ihany koa misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa avy hatrany. Tonga teny Tanjombato nanatanteraka kaonferansa lehibe nitafatafana tamin’ny mpianatra no sady nanazavany ny mombamomba ny oniversite-ny any Inde ny solontenan’ity firenena iray ity miasa sy monina eto Madagasikara omaly.
Pati
Legende : Ny filoha tale jeneralin’ny ISFPS-LEADER Atoa Mahasoa Tsimiondrike !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT