Niorina tamin’ny taona 1980 araka ny didim-panjakana 80.042 tamin’ny 14 febroary 1980
narahin’ny didim-panjakjana 83-196 tamin’ny mey 1983 nanamafisana ny famoronana azy sy ireo rafitra samihafa,… ny Ecole Normale Supérieure (ENS) teto Madagasikara, izay sekoly ambony manofana mpiasam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Isan’ny tanjona lehibe arahiny ny fanomezana fanabeazana ara-kalitao ho an’ny rehetra, mifanaraka amin’ny tanjona iraisam-pirenena toy ny ODD (objectifs de développement durable) dia ny hoe : "Hiantohana ny fahazoan’ny rehetra fanabeazana ara-kalitao, anaty fitoviana lenta, ary hanandratana ny fahafahana mianatra mandritra ny androm-piainana." (ODD4) sy ny an’ny UNESCO hoe : « Tokony hatsaraina sy hovolavolaina bebe kokoa ny fandaharan’asa fanofanana ny mpampianatra mba hahafahana mamaly ny fepetra sy fenitra takiana amin’izany». Antananarivo, Toliara, Antsiranana ary Toamasina samy ahitana ENS. Ny ao Toamasina no zandriny indrindra, nahazo "habilitation" (arrêté 31320/2023-MESUPRES) ny novambra 2023 sy "équivalence" FOP 32417 /2024 CNEAT ny novambra 2024. Manaraka rafitra LMD (Licence, Master, Doctorat) ny ENS Toamasina izay tantanan’ny Tale, Dr Fenotsara Razafy Marie. Na zandriny indrindra aza, efa nahavita dingana lehibe satria efa hamoaka mpianatra amin’ny ambaratonga Master amin’ity taona ity. Ahitana “Mentions” sy “Parcours” maro ny Domaine “Science de l’Éducation” izay tena ifotorony. Ireto avy ny isan’ny mpianatra efa nanao fanohanana: Français (4), Histo-Géo (18), Malagasy (9), Matematika (3), Philosophie (13), Physique-Chimie (5), Sciences de l’Éducation sy Administration scolaire (50), ary Sciences économiques et sociales (3).
MANANA NY MAMPIAVAKA AZY NY ENS TOAMASINA
Mamoaka mpiasam-panjakana sy diplaomam-panjakana ny ENS, fa manana ny mampiavaka azy kokoa ny ENS Toamasina satria mamolavola olona ho mpanabe manomboka avy any amin’ny ambaratonga fototra hatrany amin’ny oniversite. Fanofanana mitohy ahazoana « Licence, Master, Doctorat » hivoahan’ireo olona matihanina amin’ny fanabeazana ny ankizy. Tanjon’ny ODD amin’ny 2030 ny hoe : ny zaza 2-5 taona dia ho tafiditra an-tsekoly daholo, ka efa mamolavola olona hiatrika izany ny ENS Toamasina, hoy ireo tompon’andraikitra. Mivelatra tanteraka amin’ny « formation diversifiée », manofana amin’ny fampianarana ankampobeny na « enseignement général » sy ny Lisea teknika, ohatra ny mpampianatra momba ny gestion, économie,… izay ianarana any amin’ny Lisea teknika. Mamoaka ny « Master Indifférencié » izany hoe : sady mamoaka diplaoma akademika ahafahana manohy amin’ny « Ecole doctorale » no mamoaka « Diplôme professionnelle » ahafahana miatrika asa. Ny sehatra rehetra saika hofanina, fa ny zava-baovao misongadina ihany koa dia efa tafapetraka ary efa miodina ny laboratoara, vokatry ny fiaraha-miasa samihafa satria miara-miasa amin’ny Oniversite maromaro eran-tany toy ny oniversiten’i Beinjing any Chine, oniversite any France,… ny ENS Toamasina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.