Fampianarana

Fampianarana ambony Maro ireo zavatra mbola tsy voalamina


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Tsy mbola mivahana ny olan’ny Anjerimanontolo. Mikorontana tanteraka ny “digitalisation”

 

 

 

 na fanatobiana ara-nomerika ny antontam-baovao mikasika ny mpianatra sy ny mpampianatra (anarana sy laharana finday miverimberina, mpianatra mandray vatsim-pianarana tsy voasoratra ao amin’ny lisitra, mpianatra maro taraiky tamin’ny fanaovana digitalisation…). Nihazakazahana anefa tsy ampy ny mpiasa, ka tokony handeha tsikelikely isaky ny oniversite kanefa nanaiky be hafatany ny tetiandro nataon’ny tetik’asa PRODIGY, izay an’ny governemanta ny ministeran’ny fampianarana ambony amin’ny fanaovana ny « digitalisation », hoy ny fanamarihana. Nitohy lavareny ny fihetsiketsehan’ny mpianatra sy ny mpiasan’ny oniversite ary voakorontana tanteraka ny taom-pianarana 2019-2020. Voatsikera ny Minisitra, manohy ny asa fananganana oniversite any amin’ny faritra ny minisitera, kanefa misy ny mitaraina, fa tsy miady ho an’ny minisitera izy satria tsy mahazo “postes budgétaires” hampidirana mpampianatra ampy isa ho an’ireo oniversite vaovao. Tokony hanao kajy mazava anefa izy hanaporofoana fa aleo mampiditra mpampianatra maro mba hampidinana ny “heures complémentaires” an’ireo mpampianatra efa am-perin’asa ary voatery hampianatra ihany koa any amin’ny oniversite vaovao. Hahazoana vokatra tsara io fomba fiasa io : hihatsara ny kalitaon’ny fampianarana, hihena ny “heures complémentaires”, izay andoavan’ny fanjakana vola be, hahazo toerana ireo tanora maro aman-jatony miandry fampidirana azy ireo ho mpampianatra raikitra, hoy ny fanazavana ara-teknika. Ankoatra io, tena taraiky isan-taona ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Foibe nasionaly mikasika ny fikarohana (Centres nationaux de recherche), hany ka tsy mandray karama amam-bolana ny mpikaroka. Eo anatrehan’ny olana samihafa eny anivon’ny oniversite, tsy hita firy ny minisitra, ary Tale any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika aza no miditra an-tsehatra amin’ny lafiny fampianarana ambony, hoy ny fanamarihana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT