Fampianarana ambony

Manome vatsim-pianarana 70 ny Fanjakana Maraokanina


  • Talata 08 Jolay 2025

nivoaka ny fampahafantarana momba ny fisian’ny vatsim-pianarana

ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 misokatra ho an’ny mpianatra Malagasy maniry hanohy fianarana any Maroc, araka ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony omaly. Vatsim-pianarana miisa 70 no atolotry ny Fanjakana Maraokanina amin’ireo sehatra fiofanana maromaro miainga amin’ny kilasy fanomanana ho an’ireo grandes écoles, études médicales, sciences paramédicales, sciences commerciales et de gestion, ingénierie sy sciences technologiques, sciences agronomiques et vétérinaires ary architecture. Misokatra ho an’ireo nahazo bakalorea 2024-2025 izay nahazo ny mention Très Bien, Bien na Assez Bien, mbola madio ara-pitsarana, salama ara-batana voamarina amin’ny taratasy, 18 taona farafahakeliny ary 23 taona farafahabetsany ireo no fepetra ho an’ny sokajy universitaire. Taratasy ilaina amin’izany ny dika mitovy na photocopies certifiées miisa roa amin’ny diplaoma bakalorea, photocopies certifiées miisa roa amin’ny relevé de notes, casier judiciaire iray, certificat médical iray, sary tapaka vaovao iray ary kopia nahaterahana iray. Ho an’ny sokajy post-universitaire kosa dia ilaina ny manana diplaoma Licence na Master, mbola madio ara-pitsarana, salama ara-batana ary 35 taona raha be indrindra. Takiana amin’izany ny photocopies certifiées miisa roa amin’ny diplaoma Licence na Master, photocopies certifiées amin’ny relevé de notes tao anatin’ny telo taona farany, projet d’étude na dika mitovy amin’ny boky mémoire de fin d’étude Licence na Master, casier judiciaire, certificat médical, kopia nahaterahana iray ary sary tapaka. Ny Sampan-draharaha misahana ny Bourses Extérieures etsy Ankadifotsy no miandraikitra ny fandraisana ny dosie. Zoma izao hatramin’ny amin’ny 12 ora atoandro no fotoana farany ahafahana manatitra izany
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT