Fampianarana ambony

Mamaky ady tanteraka amin’ny SECES ny Fitondrana


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Tao anatin’ny tatitry ny fivoriambe nataony ny 17 novambra lasa teo no nanambaran’ny SECES Sampana

Antananarivo fa hamita ny fampianarana 2022-2023, izay ho vita ao anatin’ny 20 herinandro izany. Takian’izy ireo ny fandraisan’anjaran’ny Birao Nasionalin’ny SECES miisa roa na telo, handray anjara amin’ny Fihaonamben’ireo Filohan’ny Oniversite na CPU, handrafetana ny tetiandrom-pampianarana. Nosokajian’ny SECES Sampana Antananarivo ho fitondrana mpanao zinona ny fampianarana ambony no misy, ka tsy afaka hiandry intsony ny zanaka Malagasy ny SECES Antananarivo, hoy izy ireo. Nanapaka fa mitohy tsy mijanona amin’ny endriny hafa ny fitakiana sy ny tolona. Atsaharo tanteraka, hoy ny SECES Antananarivo, ireo fandrahonana sy ramatahora ary antsojay atao amin’ny mpitarika ny sendika. Mazava, hoy hatrany izy ireo, ny taratasy namaliana izany teti-dratsy tsy mifantoka amin’ny lalàna sy tsy manaraka ny satan’ny mpampianatra mpikaroka izany,… Momba ny raharaham-pirenena, mitohy ny fanitsakitsahana ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, voahosihosy ny lalàmpanorenana, ary tsy voahaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona, hoy rantsan’ny SECES io. Andaniny, nirotsaka fanapahan-kevitry ny mpitondra satria notapahana ny karaman’ireo mpitarika sendika. Na dia efa nanao ny ezaka rehetra (noho raharaham-pirenena) ny hamerenana ny fampianarana aza isika dia tapaka karama ireo mpitarika namantsika. Noho izany ny mitabe tsy lanin'ny mamba », hoy SECES Antananarivo. Ny karama sy tambin-karama efa misy olana, dia mbola fanapahan-karama no setriny, ka milaza ny hanao fivoriambe io rantsan’ny SECES io rahampitso 21 novambra, hitondrana setriny eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa famakiana ady bodongerona ataon’ny Fanjakana amin’ny SECES manokana sy ny mpitarika sendika, ary ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka sy fanaovana zinona ny dingana sy antanan-tohatra tokony hatao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT