Fampianarana

Fampianarana ambony « Mahamenatra fa eto Madagasikara irery no misy grevy lava »


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Amin’ny maha fetra farany nanomezan’ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo ny governemanta omaly 15 janoary 2020

 

 

 ahafahan’ireto farany mamaha ny olan’izy ireo dia nosokafan’ny Seces Tana ny vavahadin’Ankatso ho an’ny omaly ihany. Raha misy ny finiavana avy amin’ny fitondram-panjakana hamaha ny olana toy ny finiavanay nanokatra vavahady, hoy ny filohan’ny Seces Tana, ny Pr Grégoire Ravelonirina, dia efa voavaha ny olana. Zana-bahoaka sy ny tsy manana, hoy izy, no mandranto fianarana amin’itony oniversitem-panjakana itony ka aoka tsy hatao an-kilabao na tazan-davitra ny zava-misy fa apetrakay hatrany hoe efa nanome vahaolana ny Seces ary mbola afaka milaza hoe ireto no vahaolana azon’ny fanjakana tanterahana. Ho hita mandritra ny fivoriambe izay tanterahin’izy ireo anio, raha ny fanazavana, ny mety ho tohin’ny hetsika raha toa ka tsy misy izay ezaka avy amin’ny fitondram-panjakana izay. Nisy rahateo ny fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitry ny fiadidiana ny repoblika, hoy ny filohan’ny Seces (TTF : Omaly), mikasika ny tokony hatao ary isaorana azy ireo satria heverina fa efa zava-dehibe izany ka ho hita eo raha hahazoana valiny mahafa-po. Misy sahady ireo efa tapaka karama noho ny fitarazohan’ny fikirakirana taratasy tao amin’ny minisitera mpiahy ary heverinay fa tsy tokony ho sarotra ny famerenana an’io. Ny famerenana karaman’olona 1 noho ny fahatapahan’izany tamin’ny taona 2018 dia nahatratra 6 volana no nalaky indrindra fa misy 9 volana vao tafaverina. Ny fiainan’iza no potehana ary iza no mpanapotika tao anatin’ireny rehetra ireny satria ny mpitondra dia natao hikarakara vahoaka, hoy hatrany ny Seces. Tokony hotsinjovin’ny fitondrana, hoy izy, ny vahaolana maharitra ety amin’ny anjerimanontolo fa mahamenatra sy manala-baraka ny firenena satria ny antsika ihany no misy izany grevy izany eto amin’izao tontolo izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT