Fampianarana ambony

Hisy fiaraha-miasa lehibe amin’ireo oniversite Britanika malaza…


  • Talata 09 Desambra 2025

Tontosa tao amin’ny Minisiteran’ny

fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa Fiadanana, omaly 8 desambra 2025, ny fivoriana nampitain-davitra teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ireo solontenan’ny manampahefana Britanika ary Oniversite Britanika, raha ny tatitra avy amin’io Minisitera io. Fivoriana nentina nanomanana ny “Mémorandum of Understanding” izay hataon’ny delegasiona Malagasy tarihin’ny Minisitra any Londres amin’ny volana Janoary 2026. Tanjona ny fanaovana sonia ara-dalàna sy ny fanombohana ofisialy ny hetsika iombonana voalohany ao anatin’ny MG-UK Partnership, miaraka amin’ny Oniversite sangany any Grande-Bretagne toy ny Durham University, Homertom Collège Cambridge, London School Economics ary ny University of East London, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Kendren’ny fiaraha-miasa ny hanokatra bebe kokoa ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana amin’ny tontolo miteny anglisy sy hampitombo ny fifaninanana iraisam-pirenena ary hanatsara ny fahafahan’ny tanora Malagasy miditra amin’ny sehatry ny asa. Nanatrika ny fivoriana ny Minisitra sy ny delegasiona Malagasy notarihin’i Pr SOLOFOMIARANA RAPANOEL Tsirinirina, ny Ambasadaoro Britanika eto Madagasikara, ny solontenan’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Indostria ao Royaume-Uni, ny British Council, ny BUILA (British Universities' International Liaison Association), ny Oniversite Britanika, ny mpiara-miasa ara-teknika amin’ny MESUPRES (SPARKSO) sy ireo mpikambana amin'ny STAFF ny MESUPRES, araka ny vaovao ofisialy hatrany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT