Fampianarana

Fampianarana ambony eto Madagasikara Politikam-pikarohana no tokony hapetraka


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra dia voasokajy ho mpiasam-panjakana ambony, hoy ny filohan’ny Seces Tana, ny Profesora Sammy Gregoire Ravelonirina.

 

 

 Tsy mba « fonctionnaire » tsotra na « cadre supérieur » akory fa « haut fonctionnaire de l’Etat ». ny dikan’izay dia noho ny fahaizana norantovin’ireo olona ireo. 7 taona taorian’ny bakalorea farafahakeliny sy noho ny traikefa ananany dia nomen’ny fanjakana asa manokana iantsorohany eo amin’ny firenena. Araka ny sata manokana mifehy ny mpiasam-panjakana dia miisa 5 ny tombontsoa tokony ho azony. Arakaraka ny fahaizana ananany sy ny andraikitra tazoniny ary ny ankohonany sy ny risika mety miara-dalana amin’izany dia ny fanjakana fa tsy izy ireo no mamaritra ireo tombontsoa ireo, raha ny fanazavany hatrany. Tsy ara-potoana ny fahatongavan’ireo ka mahatonga ny mpampianatra mpikaroka hitaky. Misy efa taraiky herintaona sy tapany. Ny an’ny mpitondra anefa vao mitaky fotsiny ny fahana sy solika, hoy ny fanazavany, dia efa mahazo. Ankoatra ny fampitana fahalalana dia asan’ny mpikaroka mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka koa ny mitarika ny solofo sy dimby amin’ny asa fikarohana. Mamoaka voka-pikarohana ilain’ny firenena ihany koa izy ireo. Tsy mitombina ny filazana fa tsy ilaina ny fikarohana ety ary tsy mikaroka izany izahay satria izay mandalo ety dia saika mahita avokoa fa rakotra antso fanohanana voka-pikarohana na « avis de soutenance de mémoire » ny departemanta tsirairay avy. Raha tsy ilaina ihany koa ny voka-pikarohana ety dia tsy ho lohalaharana maneran-tany amin’ny matematisianina namoaka voka-pikarohana tsara indrindra izao olona miresaka aminao izao, hoy izy. Nomarihany moa fa ny mpampianatra mpikaroka dia natao hanao ny asa fampianarana ety amin’ny oniversitem-panjakana ary asa tsy maintsy ataony koa ny asa fikarohana ety amin’ny oniversite. Ilay iray kosa dia voafaritra hanao ny asa fikarohany any amin’ny ivontoeram-pikarohana na « centre national de recherche ».

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT