Fampianarana ambony

Be mpisafidy ny lalam-piofanana informatika


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny vondrona orinasa Joyce Hope, izay ahitana

ireo oniversite miisa 2 dia ny ISDE Madagascar, izay misehatra amin’ny fitantanana sy fandraharahana, sy ny ESPIC Madagascar, izay misehatra amin’ny informatika, dia raha toa ka misy fahaizana manokana na «spécialité» miisa 2 ankehitriny azo trandrahana ao amin’izy ireo eo amin’izay lalam-piofanana informatika izay dia eo ny informatika sy fitantanana na «informatique et Management» sy ny «marketing digital et numérique», izany hoe haivarotra dizitaly sy nomerika. Isan’ny mahaliana ny mpianatra izy io satria sady afaka misehatra amin’ny fitantanana no afaka misehatra amin’ny informatika rehefa mivoaka ao, hoy ny tomponandraikitry ny fitantanana eo anivon’ity vondrona sekoly ambony ity, Ravelomanantsoa Niraina Tiana. Manodidina ny 200 mahery eo foana no isan’ny mpianatra raisinay isan-taona. Ferana koa ny isan’ny mpianatra mba hahazoan’izy ireo mifantoka. Isan’ny taranja be mpisafidy ny informatika noho ny antony voalaza teo, hoy hatrany ny Joyce Hope tetsy amin’ny hetsika momba ny fampianarana ambony sy fampiofanana na «Salon des études universitaires et des formations» tetsy Ankasina, 67ha omaly.
J. Mirija
Légende: Ravelomanantsoa Niraina Tiana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT