Fampianarana

Fampianarana Ambaratonga ambony Ny 0,4 % n'ireo loham-pianakaviana monja no mandia azy


  • Alarobia 15 Martsa 2017

Mbola tena vitsy dia vitsy ny salan’isan’ireo vehivavy sy lehilahy loham-pianakaviana nanohy fianarana teny amin’ny sekoly ambaratonga ambony eto amintsika.

 Mbola latsaky ny 0,4% mantsy izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Andrianambinina Djohary, tale nasionalin’ny sekoly ambony CNTEMAD  nefa miankina tanteraka amin’ny fari-pahaizana ny fari-piainana. Anisan’ny fitaovana iray lehibe hahafahana miady amin’ny fahantrana ny fisian’ny sekoly ambaratonga ambony, antony nanosika azy ireo hametraka ny CNTEMAD ho sekoly manakaiky kokoa ny vahoaka. Raha mahatratra 119 ny isan’ireo distrika manerana ny Nosy ankehitriny dia ny 34 isa amin’ireo no efa rakotry ny tendron’ny CNTEMAD raha vao avy nametraka tendrony miisa fito vaovao indray izy ireo tamin’ity taona ity. Anisan’izany ny distrikan’i Bealanana, Betafo, Manjakandriana…. hetsika izay mbola hitohy amin’io herinandro ho avy io.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT