Fampianarana

Fampianarana ambaratonga ambony Misy zavatra hafahafa amin’ny fitantanana


  • Zoma 18 Desambra 2020

Mazava ny hafatrafatry ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika (MESUPRES),

 

 

 Assoumacou Elia Beatrice, nandritra ny fanamarihana ny taom-pianarana 2019-2020 eny anivon` ny oniversite tany Mahajanga ny volana novambra lasa teo. “Mila hapetraka ny paikady amin`ny fitantanana ao anatin` ny mangarahara” hoy izy. Betsaka ny singa hamaritana ny fahombiazana amin` ny fitantanana toy ny fitantanana ny tetibola, na koa ny fampidirana mpiasa… Raha tsiahivina, dia nisy fandraisana mpiasa vaovao miisa 491 ny eo anivon` ny MESUPRES ary efa nahazo fankatoavana avy amin` ny primatiora izany. Raikitra ny fifantenana saingy toa mandeha miafina izany ary tsy misy mihitsy ny fampahafantarana. Raha olona tokony ho mpikaroka-mpampianatra no fepetra takiana amin`ilay asa dia misy amin` ireo voaray no manana diplaoma, izay tsy eken` ny ministeran` ny asa sy ny lalàna sosialy (FOP) kanefa mila fanamarinana ara-minisiterialy (équivalence), na tsy manana diplaoma tsotr`izao fotsiny raha ny loharanom-baovao. Manahy ireo mpiasa eo anivon` ny MESUPRES nanao fitarainana fa zary lasa anjakan` ny kinamanamana sy kiantranoantrano ny fampidirana mpiasa eo anivon` ity minisitera ity. Ireo mpiasa voaray hiasa ireo anefa dia tsy hita eny amin` ireo toeram-piasana andefasana azy. Midika anie izany fa mpiasa matotoa izay enjehin` ny ministeran` ny toekarena sy ny fitantanam-bola izy ireo, hoy hatrany ireo mpiasa. An-jatony maro ireo antontan-taratasy tsy mazava momba io tolotr` asa eo anivon` ny MESUPRES io ary maneho ny alahelony ireo mpiasa fa tsy ireo mpikaroka-mpampianatra sy ireo tena mahafeno fepetra sy mahafehy ireo asa no omena tombony ankehitriny. Etsy ankilany dia mhatsiaro ho kamboty velon-dray aman-dreny hatrany ireo mpiasa eo anivon` ny minisitera noho ny minisitra tsy tratra antso sy tsy hita eny an-kianja noho ity farany miandry vohoka. Manampy trotroka amin` ny fitantanana ihany koa ny fiovana olona eo anivon` ity minisitera ity. Tsy mihodina ara-dalàna ny minisitera satria sasatry ny manova olona foana, nefa ny didim-panjakana fanendrena vaovao dia efa tonga. Araka izany dia tsy afaka miasa ireny olona tendrena mandritra ny volana vitsivitsy ireny. Tsy atao resabe fotsiny, noho izany ny hoe mangarahara eo amin` ny fitantanana fa jerena ny tena fampiharana azy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT