Fampianarana

Fampandrosoana ny firenena Namoaka mpianatra miisa 228 ny ISM Advancea


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Mpianatra miisa 228 mianadahy nandrato fianarana tetsy amin’ny Institut universitaire Polytechnique de Madagascar na ISM Advancea Ambatonakanga no navoaka tamin’ny fomba ofisialy rehefa avy nianatra 2 hatramin’ny 5 taona

taorian’ny nahazoana ny diplaoma bakalorea, hoy ny fampitam-baovaon’ity sekoly ambony ity omaly. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana miisa 4 izy ireo dia ny «gestion», «droit», «informatique» ary «tourisme». Ny 109 tamin’izy ireo dia nisalotra ny «Diplôme de Technicien Supérieur» na DTS, ny 80 «Licence» ary 39 Master I sy II. Samy ankatoavin’ny fanjakana avokoa ireo. Mandresy no anaran’ity andiany nivoaka ity ka ny mpianatra ihany no nisafidy izany anarana izany satria na dia teo aza ny zava-tsarotra nolalovana dia tontosa soamantsara ihany ny fianarana. Tsy tanora manana diplaoma fotsiny ireto andiany “Mandresy” ireto fa tanora vanona sy vonona hitondra ny anjara birikin’izy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny firenena satria izany no tarigetran’ny sekoly ambony nivoahany. Sekoly ambony voalohany eto Madagasikara mikambana feno ao anatin’ny «Fédération européenne des écoles» na FEDE izay manome azy ny fahefana feno hamoaka diplaoma iraisampirenena ho an’ireo mpianatra ao aminy. Noho ny fanatsapanay ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fikarakarana ny taratasy mivoaka any ivelany sy mba ho fanomezana fampianarana mitovy lanja amin’ny any ivelany satria manaraka fandaharam-pianarana vahiny sy ireo bokin’andraikitra mifandraika amin’izany no antony nahatonga anay hiaraka hiasa amin’ny FEDE”. Manoloana izao fiakaran’ny vidim-piainana izao dia tsy nampiakatra ny saram-pianarany ity sekoly ity mba hitsinjovana ny taranaka malagasy. Mbola misokatra hatramin’ny 8 desambra 2022 izao moa ny fisoratana anarana ho an’ireo ankizy izay mbola te hiditra ato aminay, hoy hatrany ny mpitantana ity sekoly ambony ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT