Fampianarana

Fampandrosoana ny ankizy Nifarana omaly ny fandrafetana paikady


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Nifarana omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny atrikasa famolavolana

 

 

 

sy fandrafetana paikady momba ny fampandrosoana ny ankizy na “développement de la petite enfance”. Tanjona tao anatin’izay atrikasa 3 andro izay, hoy ny fampatsiahivana, ny hitadiavana ny fomba hametrahana olom-pirenena vanona sy afa-manonitra eto amin’ity firenena ity satria ny tsy fandraisan’anjaran’ireo olom-pirenena amin’ny raharaham-pirenena noho izay tsy fahatomombanan’ny fahafaha-manonitra ao anatin’ny famokarana izay dia mampidina 7% ny harinkarem-pirenena isan-taona. Mila volavolaina dieny mbola kely noho izany ireo zaza sy ankizy mba hananany izay fanahy feno finiavana hampandroso ny fihariany izay ka na iharana fahapotehina goavana toy izay nahazo ny japoney tamin’ny ady lehibe faharoa aza ny firenena, sanatria, dia mbola hanana fahafahana ho tonga firenena matanjaka ihany. Ho entina mitety faritra moa ireo hevitra voaangona tao anatin’ireo atrikasa sy fifampizarana traikefa ary fifampiofanana natao mba hahafahana manomboka manaparitaka izay toe-tsaina tsy milavo lefona izay, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT