Fampianarana

Fampandrosoana an’i Madagasikara Taraiky 200 taona mitaha amin’ny an’ny sinoa…


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Tombanana ho taraiky 200 taona, na mihoatra aza, mitaha amin’ny an’ny sinoa na ny any Chine, raha ny fanadihadiana nataon’ireo manam-pahaizana momba izany,

izany hoe misy elanelana taonjato miisa 2 be izao, ny elanelan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara raha mitaha amin’ny an’i Chine. Miady mafy i Madagasikara hatramin’izao mba haha tafiakatra ny isan’ny mpizahantany vahiny tonga eto ho hatrany amin’ny 500.000 isa. Ry zareo sinoa kosa dia izy samy izy ihany dia efa mahavelona ny 100%n’ny fizahantany ao aminy. 98 na 99%n’ny mpizahantany ao Chine dia sinoa avokoa. Sarotra ny mahita sinoa miteny tenim-pirenena hafa ankoatran’ny tenim-pireneny. Izany hoe tsy maheno tenim-pirenena hafa ankoatran’ny teny sinoa ianao na aiza na aiza alehana any Chine. Mahaleotena tanteraka eo amin’ny lafiny teny ampiasaina ireo teratany sinoa no mahavita tena eo amin’ny sehatry ny fizahantany ihany koa. Any amin’ireo trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana na hotely lehibe dia efa saika masinina na “robot” avokoa no mandray ny tadiavina na “commande” sy manatitra ny sakafon’ireo mpanjifa eny an-databany. Mikarakara ny sakafo sisa no anjaran’ny olombelona. Tsy mikirakira vola taratasy ny sinoa fa saika efa amin’ny alalan’ireo fitaovana elektronika toy ny solosaina sy finday avokoa no hifanakalozam-bola. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia sarotra ny ahita teratany sinoa mipetrapetra-poana na midonanam-poana, araka ny fomba fitenintsika, fa samy manana ny asany avokoa ny olompirenena rehetra. Miliardera ny ankamaroan’ny sinoa na dia 8000 Euro aza ny karama antonony na “salaire moyen” any an-toerana, hoy ny teratany sinoa mpandika teny sady mpiseradia any an-toerana iray. Heverina fa tsy midika akory anefa izany hoe tsy misy lafiny ratsy mihitsy ny fahafehezana itony hairaha na tekinolojia vaovao itony fa ny fanontaniana mipetraka kosa anefa, etsy ankilan’izay, dia ny hoe inona no tena tokony ataontsika mba fara-faha ratsiny hahafaha-manarina ity firenena malagasy ity manoloana izany rehetra izany? Tombanana ho miisa 1,4 miliara amin’izao fotoana izao ny isan’ny teratany sinoa monina ao Chine kanefa dia mahagaga fa mbola malalaka ny fifamoivoizana ao Beijing, renivohitr’ity firenen’ny dragona ity.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT