Fampandrosoam-pirenena

«Tena mila fehezina ny informatika»


  • Talata 23 Septambra 2025

Ilaina tanteraka anaty fampandrosoam-pirenena amin’izao

vanim-potoana iainantsika izao ny tontolon’ny informatika, hoy ny tomponandraikitry ny fampianarana informatika eo anivon’ny Univers informatique etsy Andravoahangy ambony, Rasoamanana Lako Hery. Anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana aty amin’ny taonjato faha 21 isika, hoy izy. Isan’ny zava-dehibe ary tena ilaina ny fikirakiràna ny informatika ahafahana mampandroso ny firenena, mampandeha haingana ny asa mba tsy itavozavozàna anatin’izany. Mila mifehy an’izay isika anatin’ny fiainana an-davan’andro na anatin’ny asa aman-draharaha. Tena mila fehezina ny informatika. Tena tokony handray anjara betsaka anatin’ny fampandrosoana ny firenena io satria misy ny tahirin-kevitra, ny angom-baovao izay tokony ho voatahiry amin’ny toerana iray. Manampy be dia be antsika amin’izao vanim-potoana izao izany ary hita sy azo tsapain-tanana amin’ny sehatry ny asa. Raha tena mandeha ara-dalàna ny fikirakiràna informatika eto dia tsy tokony hisy fahataràna ny fikirakiràna antotan-kevitra amin’ny biraom-panjakàna fa tena mipetraka tokoa izay «informatisation» na fanomezana vahana ny fampiasàna informatika izay. Miditra amina taom-pianarana vaovao anivon’ny oniversite isika ankehitriny. Eto aminay izao misy rafitra miisa 2. Ao ny fianarana ahazoana sertifika anarahana fampianarana manokana na «modulaire». Na ho an’ny manana bakalorea io na tsia. Na ho an’ny efa miasa na tsia. Ao ny rafitra ahazoana diplaoma na «diplômante» toy ny DTS ho an’ny Bacc+2, licence ho an’ny Bacc+3. Misandrahaka 2 koa io dia ny «Informatique de gestion» na informatika ho an’ny fitantanana na «Gestion d’entreprise et entreprenariat», izany hoe fitantanana orinasa sy fandraharahana. Mitovitovy ny salan’isan’ny mpianatra manaraka ireo fiofànana ireo. Misy vao afaka Bakalorea dia efa miditra ato. Misy mbola mandinika ary misy na efa mianatra any Ankatso aza dia mbola mianatra ato satria ilaina foana ilay informatika. Tena liana amin’ny informatika ny tanora malagasy. Tsy ambakan’ny any ivelany koa ny lentam-pahaizan’ny malagasy. Ireo namana avy nandrato fianarana eto ka lasa any am-pita dia tsy manana olana firy raha mbola hanohy fianarana any na hiasa any koa, hoy hatrany ny tenany. Raha nahitàna mpianatra miisa 300 teo tamin’ny taon-dasa teto anivon’ity oniversite tsy miankina ity dia tafakatra 400 izany, hoy kosa ny fanampim-panazavàna avy amin’ny mpitantana izany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT