Fampianarana

Fampanantenana vaovao 2028… “Ho lasa mpiasam-panjakana ny FRAM rehetra”


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Ho lasa mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra FRAM hatramin’ny taona 2028, raha ny nambaran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle omaly 11 aprily,

nandritra ny fitokanana ny sekoly tany Antavola ao anatin’ny distrikan’Ikongo. Niantso ireo mpampianatra mpanabe mba haneho faharetana ity Minisitra ity izay naneho, fa tokony hanao tahaka ny pasitera ireo mpampianatra satria ny pasitera dia tena manana faharetana tokoa amin’ny asany. Nisy moa ny fanolorana fifanaraham-piaraha-miasa nataon’io Minisitra io an’ireo mpampianatra FRAM an-jatony nandritra ny fandalovany tany amin’ity distrika ao anatin’ny faritra Fitovinany ity. Tsara ny mampahatsiahy na izany aza, fa maharakotra ny Nosy ny sekoly, akaiky ny fifidianana dia mety mandeha ny fampanantenana, ary tsy vao izao no nisy fampidirana FRAM ho mpiasam-panjakana. Tsy vao izao ihany koa no nisy mpitondra am-perinasa nampanantena, fa amin’ny 2028 dia hivaha ny olana, ka anisan’ireny ny resaka angovo izay nolazaina fa ho foana amin’izany ny delestazy, rehefa tsy nahomby ilay hoe: 400MW anatin’ny 5 taona nolazaina tamin’ny 2018,... Tsy misy afaka hanatanteraka azy ireny afatsy ny mpitondra ankehitriny ve? Sao sanatria hatao fitaovana politika hakana vaton’ny mpifidy indray?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT