Fampianarana

Famotehana ny oniversitem-panjakana Nakatona ny kaonty amin’ny bankin’ny oniversite


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Betsaka ny tsy fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra mikasika ny oniversite eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny filohan’ny Seces sampana Antananarivo omaly.

Nakaton’ny banky BNI ny kaonty amin’ny bankin’ny “Etablissement d’enseignement supérieur” marobe. Isany ny an’ny oniversiten’Antananarivo. Sady tsy ampy no tara fahatongavana ny famatsiana na “subvention” avy amin’ny fanjakana. Ireo “source propre” na loharanom-bola manokan’ny oniversite any amin’ny banky ireo no sisa mba mampiodina ny oniversite miankina amin’ny fanjakana rehetra, hoy ny fanazavana. Sangy mihoatra ny loha no sady famotehana ny anjerimanontolom-panjakana ny fanakatonana an’io. Fantatray fa misy namana mety manana oniversite mihitsy ireo mpitondra ambony ireo ka potehina angamba ny oniversitem-panjakana mba ahafahana misintona mpianatra miroso mianatra amin’ireny oniversite tsy miankina ireny. Aleo mba tsinjovina ny zana-bahoaka fa tsy manambola akory ny olona rehetra ahafahana mamonjy ireny oniversite tsy miankina ireny. Betsaka ny antontan-taratasy tonga any amin’ny fiadidiana ny primatiora izay mitsatoka any ary tsy mety mivoaka hatramin’izao. Misy volavolana didim-pitondrana nangatahana efa ho 2 volana sy tapany izay fa hatramin’izao mbola tsy nivoaka. Manainga ny fitondram-panjakana izahay fa tsy tokony ho sakana hamoahana izany ny hamehana ara-pahasalamana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT