Famotehana ny fampianarana

Miverina ny resaka lasa adina miparitaka…


  • Talata 02 Jolay 2024

Nizotra tamim-pilaminana ny andro voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC (Brevet d’Etude de Premier Cycle)

nanerana an’i Nosy ho an’ny omaly. Tsy dia nahitana olana be tamin’ny ankampobeny, saingy teo ihany ny olana madinidinika, toy ny fahataran’ny mpiadina, fahataran’ny fisokafan’ny vavahady,… Na izany aza, miverina indray ny resaka fipariahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana, izay manakorontana ny sain’ny mpiadina, manakorontana ny zotram-panadinana. Miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera hatramin’ny faran’ny herinandro teo ireo serasera sy resaka bizina, mety ho tena laza adina, mety ho fisolokiana,… izay ataon’ireo tsy mataho-tody fitadiavam-bola, ka 6000 hatramin’ny 60 000Ar ny iray. Ireo mpanaparitaka izany dia miezaka maneho sy mivoy fa tena azo antoka ary efa misy hatramin’ny valiny ny laza adina amidin’izy ireo, izay mety ho marina, mety ho diso, fa anjaran’ny rehetra no mitandrina tsy ho tratry ny fakam-panahy na koa ho voafitaka ao anatin’ireny. Tsy azo hamaivanina ny tranga toa itony, izay mety ho endrika iray manamafy ny tsy fahafehezan’ny Fanjakana ny fikarakarana fanadinana. Tsy vao sambany rahateo ny tranga tahaka izao, fa efa mateti-pitranga, indrindra tao anatin’izao Fanjakana izao, raha tsy hilaza afatsy ny zava-nitranga tamin’ny fanadinana bakalorea, izay nisiana fivoahana laza adina nialohan’ny fotoana, raha tsy hilaza afatsy ny bakalorea 2019 taom-piasana voalohany ho an’ny Fanjakana Rajoelina, tamin’ny andron’ny Minisitra Pr Blanche Nirina Richard. Niaraha-nahita sy nahalala ny Bakalora farany teo, izay niafara tamin’ny bakalorea labozia noho ny fivoahan’ny laza adina nialohan’ny fotoana. Izao indray dia midina hatrany amin’ny fanadinam-panjakana BEPC ity resaka ity izay inoana fa misy ny fanadihadiana lalina sy fandraisana fepetra hentitra eo anatrehan’ny tranga miseho. Endrika maneho sy manamafy ny fanimbana ny fampianarana sy fanabeazana eto amintsika ny tahaka izao, ary tena famotehana firenena, raha ny fanadinam-panjakana no hisiana hosoka sy fanakorontanana ny sain’ny mpiadina tahaka izao, ka hanentanana ny rehetra tsy ho tafaroboka ao anatin’ny zavatra mamohehitra tahaka itony. Mampametra-panontaniana ihany koa ny zava-misy hoe : tena manan-danja sy omen’ny mpitondra ny lanjany ve ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto amintsika ? Raha ny sary mitranga eo anivon’ny governemanta mantsy, dia ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fanadinam-panjakana izao no tsy misy minisitra tompon-toerana ireo minisitera telo miisa 3 miantsoroka ny fampianarana sy ny fanabeazana satria ny kajy politika aloha no nahamaika, ka nalefa kandida depiote ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, Minisitry ny fampianarana teknika, Minisitry ny fampianarana ambony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT