Fampianarana

Famaliana ny fitakiana eny Ankatso Hatramin’ny 11 jolay no fe-potoana


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Namoaka fanambarana ireo Toko telo mahamasa-nahandro ivondronan’ny mpianatra, mpandraharaha, mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ireo foibem-pikarohana nasionaly miorina eto Antananarivo omaly.

 

Tontosa soa aman-tsara, hoy izy ireo, ny hetsika fanairana ireo mpitondra fanjakana nandritry ny herinandro na dia teo aza ireo tsimatimanota fahavalom-pandrosoana niezaka nanao ny sakantsakana sy ny fihoaram-pefy, koa misaotra antsika rehetra nandray anjara mivantana na an-kolaka. Nisy moa fotoana nidiran’ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra sy nitifirana baomba mandatsa-dranomaso, ary fidirana tao amin’ny faritry ny oniversite. Nisaotra ny solontenan’ny Fiadidiana ny primatiora tonga nihaino ny fitakiana ihany koa izy ireo, ary manantena ny fihaonana tsy ho ela amin’Andriamatoa praiminisitra hifanakalo hevitra amin’ny solontenanay ny amin’ny fanomezana vahaolana mahafa-po sy azo tsapain-tanana, hoy hatrany izy ireo. Miandry hatramin’ny alarobia, 11 jolay 2018 izahay amin’ny fanolorana vahaolana mahomby, ary hisy ny fivoriambe hanaovana tatitry ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny SECES-Tana sy ny SPATUANT ary ny mpianatra ny alakamisy, 12 jolay 2018, izay handraisana fanapahan-kevitra iraisana. Miantso ny rehetra hiombona amin’ny fitakiana ny tombontsoa iraisana izy ireo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT