Fampianarana

Faly Andrianafetra R Nizara “kits scolaires” tao Imeritsiatosika


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana fidiran’ny mpianatra isika izao, ary fotoana hanaovan’ny sokajin’olona na fikambanana samihafa asa sosialy izany matetika.

 Anisan’ny nanatanteraka izany i Faly Andrianafetra Robinson na i Faly Be (Le Roi Lion) no hahafantarana azy eo amin’ny tontolon’ny spaoro mekanika, ary izy rahateo no tompon’ny SRK eny Imeritsiatosika. Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 222 tao Ambohijafy, fokontanin’Antamboho, kaominina Imeritsiatosika ny tenany. Angady nananana sy vy nahitana izany ny fiaraha-miasany manokana tamin’ny Banky BOA noho ny fangatahany hanao asa sosialy, ka dia roso ny roa tonta tamin’ny fizarana “kits scolaire” ho an’ny kilonga madinika, ka 142 ny mpianatry ny EPP nisitraka izany ary 80 kosa ny avy amin’ny CEG. Nanatrika ny lanonam-pizarana ireo fitaovana ireo teo Imerintsiatosika ny Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana (ZAP), izay nisolotena ny Lehiben’ny CISCO, ny talen’ny BOA Imerintsiatosika nisolo ny Fondation BOA, ireo mpampianatra sy ny mpianatra rehetra, ny ray aman-drenin’ny mpianatra (FRAM).

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT