Fampianarana

Faliarivo Ampitatafika Mpiadina 16 no tsy tonga


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Miisa 16 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy tonga niatrika ny fanadinana CEPE omaly ho an’ny foibem-panadinana CEG Faliarivo Ampitatafika. Raha miisa 1.188 mantsy izy ireo dia ny 1.172 no tonga omaly.

 

 

 

Na izany aza tonga avokoa ireo mpampianatra niandraikitra ny fiandrasana ireo mpiadina. Mba ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny sy ireo tompon’andraikitra nandray an-tanana ny mpiadina tao amin’ity foibem-panadinana ity ary dia tonga nanolotra sakafo masaka ho azy ireo ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina izay karazana sakafo atoandro mihitsy. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny malala-tanana no angady nananana sy vy nahitana izany. Nomarihin’ity Ben’ny tanana ity moa fa ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE ihany no hanokanany vola tahaka izao fa mety tsy ho tratra intsony izany ho an’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana BEPC. Ho an’ireo mpiadina kosa indray dia ny taranja SVT omaly maraina no tena nampitaraina mafy azy ireo saingy manantena ny ho afaka avokoa ny rehetra.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT