Fako miparitaka, rano miakatra, fitohanana

Tena maika ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Heverina ho tena maika amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra, ny fisorohana

mialohan’ny rotsak’orana ireo mbola olana tena mitoetra, indrindra, rehefa fahavaratra, eto amin’ity renivohitr’i Gasikara ity. Tsy inona moa ireo fa ny fako miparitaka, toy izay efa nambara hoe misy amin’ireo olompirenena sasany, izay tsy vitsy, no toy ny manana fahafinaretana mihitsy hanary ny fakony eo ivelan’ny dabam-pako iombonana eo fa tsy manao izany ao anatiny. Ireny avy eo no entin’ny riaka rehefa avy ny orana ary manentsina ny tatatra sy lalana tokony hivoahan’ny rano samihafa. Olana faharoa, noho izany, ny rano miakatra vokatr’io rotsak’orana eto Antananarivo renivohitra io. Efa ahitana matetika izany sahady aza moa na dia andro maina be izao aza ireo faritra sasantsasany toy iny Andravoahangy, Besarety hatreny Soanierana eny. Ny eny amin’ireo faritra iva moa no tena mijaly a/min’iny lafiny iny. Ny fifamoivoizana mitohana moa dia mbola mampikaikaika hatramin’izao manomboka eo Analakely hatrany Ankorondrano na koa Manjakaray hatrany Ambodivona sy ireo zotra na «axes», izay mahagaga, fa tena feno mpitandro filaminana natao handamina izany mihitsy. Fako miparitaka, rano miakatra, fifamoivoizana mitohana; tena maika ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT