Lehilahy iray tonga hiatrika ny laza adina Matematika tao Farafangana no tratra nisolo mpiadina tokony hanala izany .
Nosoloiny ny sariny ny tao amin'ny taratasim-pamantaran’ilay mpiadina ka mihevitra izy fa tsy hisy hahafantatra . Rehefa nandeha ny fijerena ny mombamomba ilay mpiadina dia tsikaritra fa tokony ho vehivavy ilay manala ny fanadinana fa tsy lehilahy. Tsy nisy ambara fa dia niaiky ny helony ilay lehilahy saika hanolo ilay vehivavy izay fantatra fa vadiny ihany. Mpampianatra ( Maitre FRAM) ihany koa no asan'ity lehilahy saika hanala fanadinana ity. Nisy tranga mitovy amin'izay ihany koa tao Mananara avaratra saingy nandritra ny taranja filozofia afak’omaly. Olona mitovitovy azy indray no nosolon'ity lehilahy ity. Rehefa raikitra anefa ny fisavana ny momba ilay mpiadina dia fantatra fa tsy mitovy azy ny sarin'ilay mpiadina ka dia sarona ihany koa ity tovolahy ity satria tsy izy ilay olona tokony hanala fanadinana. Efa natolotra ny mpitandro ny filaminana avokoa moa ireto mpanala fanadinana sandoka ireto. Ankoatra izay dia tao amin'ny faritra farafangana ihany koa no nahatratrarana mpiadina roa nifanome vakiraoka ka tratran'ny mpiambina ary voatery najanona tsy nanohy ny laza adina Matematika intsony, hoy ny fanomezam-baovaon’ny polisim-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.