Faharanitan-tsaina artifisialy na «IA» frantsay

Malagasy no ao ambadika


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Malagasy no mpiasa ao ambadiky ny antsoina hoe «Intelligence Artificielle» na IA frantsay,

izany hoe ao ambadik’ilay lazaina fa mahasolo ny fisainan’ny olombelona na ny fahaizan’ny olombelona mihitsy ao anaty solosaina sy teknolojia vaovao ao. Tsy «robots» na olom-by ihany akory no ao ambadiky ny faharanitan-tsaina artifisialy na «IA» fa misy olona miasa ary eto Madagasikara ny mpanantateraka izany, hoy ny mpanao fanadihadiana, Maxime Cornet sy Clément Le Ludec, izay mpiasa ao amin'ny Institution Mines Télécom. Noho ny fahasahiranana amin'ny fitadiavana mpiasa any Frantsa dia maro ny orinasa miompana amin'io sehatra nomerika io eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana. Porofo iray hafa manamarina indray izany ity zava-misy mikasika orinasa frantsay iray ity fa havanana sy manana ny fahaizany manokana ny malagasy eo amin’ity resaka fikirakirana nomerika ity. Isan’ny efa nanamarina izany, volana maromaro lasa izay, ny sekoly ambony iraisampirenena momba ny teknolojia iray eto amin’ny firenena sy ny IT University, izay oniversite tsy miankina eto an-toerana sangany amin’izay tontolon’ny nomerika izay ihany koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT