Fampianarana

Fahapotehan’ny sehatra fanabeazana Mila mandray andraikitra ny tsirairay


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Nisy ny adihevitra an-databatra boribory omaly zoma 27 aprily tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina noho ny hetsika herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana.

 

 Nandray anjara tamin’izany ny fikambanana iraisam-pirenena, ny solontena avy amin’ny minisitera, ny sendikaly ary ny fiarahamonim-pirenena. Tanjona ny hanentanana mikasika ny fivoaran’ny fanatanterahana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra lovain-jafy fahefatra (ODD4). Nandritra izay herinandro izay dia nijery lohahevitra maro isan-karazany mba hahatrarana io ODD4 io. Ohatra tamin’izany ny amin’ny tokony hitazonan’ny tsirairay ny teny nomeny sy ny tena anjara asany ho fampandrosoana ny sehatra fanabeazana. Miainga amin’ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny fiarahamonim-pirenena hatrany amin’ny fitondram-panjakana. Noresahana tao ihany koa ny  resaka vola hatontona ho amin’ny sehatra fanabeazana. Tsy diso anjara ny tanora satria niadivana hevitra tao ihany koa ny momba azy ireo sy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Anio indray  kosa no hijerena ny lohahevitra momba ny zaza madinika sy ny fanabeazana mifandraika amin’izany. Nandritra ity hetsika ity dia nisy ny fanadihadiana natao manokana ho fampandrosoana ny sehatra fanabeazana ka anisan’ny nisitraka izany ny tany Ambatolampy. Rehefa tapitra ity hetsika ity dia misy ny fandefasana ny tatitra isam-pirenena, hisy ihany koa ny fihaonan’ny solontena avy amin’ny firenena rehetra  handinihana ny fanarenana ny lesoka hita sy re nandritra ity hetsika herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana ity. Raha ny eto Madagasikara manokana kosa dia hisy ihany koa ny tatitra ny amin’ny olana misy amin’ny sehatra fanabeazana ary hofehezina amin’ny fihaonambe momba ny fanabeazana amin’ny volana septambra.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT