Fampianarana

Fahaizana azo eny amin’ny anjerimanontolo Tsy nihena fa nivelatra, hoy ny Soluma


  • Talata 10 Aprily 2018

Manoloana ny fahasahiranan’ireo tanora afaka bakalorea rehefa hitady izay hanohizany ny fianarany no anton’ny hetsika ataon’ny firaisankinan’ireo taizan’anjerimanontolo eto Madagasikara na ny Soluma,

 hoy ny filoham-boninahitr’ity fikambanana ity, Berija Ravelomanantsoa, raha nanatsidika ny hetsika hataon’izy ireo any Antsiranana omaly. Hisy ireo mpianatra miisa 152 izay tena hita fa sahirana no hampisitrahana ny fanampianay any an-toerana ny 21 aprily izao, hoy izy. Tsy nihena ny fahaizan’ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny anjerimanontolo (Niveau) fa nivelatra kosa noho ny fivoaran’ny tekinolojia, hoy hatrany ity filoha ity. Mila ampiana amin’ny fizarana mampiasa aterineto sy ireny hairaha ireny, araka izany, ireo mpianatra ary anton’ny fanampiana tahaka itony. Efa LMD izao no rafitra misy ka tokony hivonona amin’izay izany ny sainy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT