Fampianarana

Fahafehezana teny Anglisy “Fahafaha-mitady lalana handraharaha”


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny ESCA Antanimena ny sabotsy teo ny andiany faha 4 mitondra ny anarana hoe “Shine” na fahazavana tamin’ireo nianatra teny anglisy ombam-pizahantany teo anivon’ny sekoly

manokana momba izany eto Madagasikara na ESM, izay etsy Antanimena ihany. Tsara ny manamarika, hoy ireo mpanabe, fa ankoatra izay dia mamolavola tanora hiatrika ho avy fa tsy hanome tsiny foana ny tomponandraikitra isan’ambaratongany izahay. Miainga amina fanovana toetsaina izany. 43 mianaka ireo navoaka ny sabotsy teo. Isan’ny fanilon’ny fanovana toetsaina eny anivon’ny fiarahamonina sy ny sampan-draharaha hisy azy izy ireo, noho izany, manomboka eto amin’ny alalan’ny fahafehezana ihany koa izay teny anglisy izay ary manana fahafaha-mitady lalana handraharaha fa tsy voatery hijanona amina asa iray. Hahatongavana amin’izany ny fampianarana azy ho tia mamaky boky, ny fifaneraserana amin’olona manana toetsaina miabo satria isan’ny olan’ny tanora amin’izao koa ny tsy fahaizana mifidy namana ka manjary tsy mahita lalan-kombana. Mila manana vina satria ny tanora ankehitriny lasa tsy tia mametraka tanjona eo amin’ny fiainany. Tsy voatery ny ho afaka 5 na 10 taona fa na ny anio aza mila fantatra hoe inona no tanjoko anio? Mpianatra tato miisa 5 no lasa mpandraharaha ny taona 2021 satria nazava ny tanjon’izy ireo. Anjaran’ny fanjakana ny mijery izany olana ara-ketra izany fa raha izany no ataonao sakana dia tsy afaka ny handroso mihitsy ianao. Mila avadika ho tombony ny olana misy. Izay ilay hoe mijery miabo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Ny andiany “Shine” sy ireo mpampianatra azy ireo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT