Fampianarana

Faha 60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa Notolorana marim-pankasitrahana ireo nahavita be


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Nifarana omaly teny Ankatso ny 3 andro fanamarihana amin’ny fomba siantifika ny faha 60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

 Noho ny fisian’ny valanaretina moa dia somary nenjikenjehana ny fotoana mikasika ity fankalazana voatery natomboka ny volana septambra teo ity, raha ny fanazavana, ary iny omaly iny, araka izany no ivony ka nanomezana mari-pankasitrahana ireo nahavita be teo anivon’ny fakiolte. Ny 28 janoary 2022 izao kosa no famaranana ny fankalazana. Isan’ny noresahana ny andraikitry ny siansa anatin’ny fampandrosoam-pirenena toy ny lafiny fanabeazana sy ny fampiofanana ho mpikaroka fa eo koa ny fampiofanana ho mpandraharaha. Nisy noho izany, raha ny fanazavan’ny sojabe lefitra sady tompondraikitra siantifikan’ny fankalazana, Pr Hasina Nirina Andrianalihasina,ny fifaninanana tetikasa mifandraika amin’izany ho an’ireo mpianatra mpikaroka nisafidy tsy hanohy fianarana intsony eo anivon’ny fakiolte ka izay 20 isa mendrika indrindra dia hahazo izay fiofanana izay sy famatsiam-bola hiaingany amin’izay tetikasany izay.
J. Mirija
Legende: Teny Ankatso omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT