Faha 60 taonan’ny CEG Analamahitsy Cité

Nanolotra 4 tapitrisa Ariary i Naivo Raholdina mivady


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

lefitry ny Antenimieram-pirenena, faritra Antananarivo, ary solombavambahoaka voafidy tao amin'ny boriborintany faha 5, Naivo Raholdina, hoy ny fampitam-baovao voaray. Mitsinjara toy izao izany, hoy ny fanazavana. 2 tapitrisa Ariary; tohan’aina na «goûter» ho an'ireo mpianatra nanatrika ny fankalazana. Ny 1 tapitrisa Ariary; natolotra ho an'ny ankizy nahazo naoty ambony indrindra. Ny 1 tapitrisa Ariary; nomena ireo ankizy nanao soradihy nampiray ny faritany miisa 6. Nanamafy ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, fa efa nanomboka tamin'ny taona 2000 izy mivady no efa nanao asa sosialy amin'ny maha tompon’ny taona 2000 azy ireo. Ny taona 2007, naha ara-panjakana ny fikambanana Fanantenana Fafi 5, ary efa mpanome loka ho an'ny mpianatry ny EPP, CEG, lisea ety amin'ny boriborintany faha 5. Nitsodrano ireo mpianatra sy mpampianatra ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mba hahatratra ny faha 60 taona manaraka indray ary ho tafita amin'ny tanjona tratrarina, hihoatra ny solombavambahoaka izay ray mpiahy ny fankalazana, fa adala hono izay toa an-drainy, hoy hatrany ity depiote ity. Manentana koa ireo izay te hanao asa soa izy mba hanao izany mandritra ny fiainana manontolo am-pitiavana fa tsy rehefa tonga ny fifidianana dia lasa mpanao asa soa avokoa ny mpanao politika rehetra. Rehefa vita kosa ny fifidianana dia tsy misy hita intsony. Ny tenanay mivady kosa dia teo foana na nisy fifidianana na tsy misy ary hanohy izany hatrany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT