Fampianarana

Faha 5 taonan’ny Oniversite Ravelojaona Hanome seho sy hetsika ara-koltoraly ireo mpianatra


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 5 taona nitsanganan’ny oniversity Ravelojaona dia hisy ny hetsika maro ho tontosaina ao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny tapak’andro marainan’ity anio ity.

Hiavaka, noho izany, ny fidirana ofisialy na “rentrée solennelle” eo anivon’ity oniversite an’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM ity, hoy ny rektora, ny mpitandrina Dr Ratsimandisa Zo. Ankoatran’ireo hetsika ataon’ny mpianatra dia hanafana ny fotoana koa, hoy izy, ireo antoko mpihira hafa toa an’I Ampifitia sy Koraita. Ankoatran’ny fampiofanana akademika dia misy eo anivon’ny oniversite koa tsinona ny fanofanana ivelan’izay na ilay antsoina hoe “para universitaire” toy ny fihirana, ny dihy, ny teatra. Samy mba hanome seho sy hetsika ara-koltoraly amin’io ireo mpianatra. Ho tonga ao koa ny oniversite any amin’ny faritra satria tsy eto ihany ny Oniversite Ravelojaona. Misy avy any Moramanga, Ambatolampy, Arivonimamo, Antsirabe. Ny fanompoam-pivavahana hisaorana an’Andriamanitra no hamaranana azy rehefa tong any amin’ny 11 ora, hoy hatrany ny fanazavana, ary ny fotoana rehetra dia anasana ny rehetra.
J. Mirija
Legende: Ny rektora, Dr Ratsimandisa Zo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT