Fampianarana

EPS Bacc 2018 Miato kely aloha ny fanatanterahana azy


  • Alarobia 20 Jona 2018

Namoaka fanambarana hoan’ireo mpiadina sy ireo raiamandrenin’ny mpianatra hanala Bacc 2018, tetsy Analakely omaly talata 19 jona 2018, ry zareo ao amin’ny Acfeeps nosoloin’ny SG-ny tena, Eeotondraza Solomon sy ny sendika Speps

Mada nosoloin’ny filohany Razanajatovo Bruno tena ary ny mpandrindra ankapobeny ny taranja EPS eto anivon’ny Dren Analamanga, Ravoahangy Manantsoa Pierrot Vidoc, fa na dia efa nisy mpiadina vitsitsy aza nahazo ny taratasy fampiantsoana ny fanadinana ara-panatanjahantena na EPS BACC 2018 dia tsy voazara araka ny tokony ho izy tamin’ny herinandro lasa teo kosa ireo « convocation » ho an’ireo hiatrika ny taranja lomano tokony ho tanterahina amin’ny sabotsy 23  jona ho avy izao ary efa vonona amin’izany izy ireo dia mbola hihemotra kely aloha ny daty hanatanterahana an’ity taranja EPS  2018 ity ka miray hina tanteraka amin’ny fianakaviamben’ny fanabezana eto Madagaikara sy miombom-po amin’ireo sendikan’ny fanabezana Malagasy izahay voalaza etsy ambony fa rehefa misy ny vahaolana mikasika ny fitakiana rehetra ataon’ny mpiasa sy sendika ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena manerana ny nosy toy ny fandoavana an’ireo « vacations » mbola tsy voarain’ny mpampianatra hatramin’izao sns.. . na mialoha, na aorian’ny daty efa voatondro hanatanterahana ny fanadinana dia miverina manantanteraka ny asa izy ireo ary mampanantena fa tsy hisy ny taona fotsy izany.  Iray volana mialohan’ny adina an-tsoratra no tsy maintsy vita ny EPS BACC ary mifampiankina ny EPS BEPC sy ny EPS BACC.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT